Sport

“World Rugby Junior Trophy” I Kenya no tafita, tsy nitsanga-menatra ny Malagasy


  • Alatsinainy 12 Jolay 2021

Resin’i Kenya tamin’ny mokafohy 21-20 ny ekipam-pirenena Malagasy Makis vehivavy sokajy latsaky ny 20 taona tamin’ny lalao farany amin’ny “Barthes Trophy U20” omaly alahady tany Kenya.

 Voatazon’ny Kenianina ny anaram-boninahitra azony tamin’ny taona 2019, ary izy ireo no hisolo tena an’I Afrika amin’ny “World Rugby Junior Trophy” hatao any Kenya ihany amin’ity taona ity. Tsy nitsanga-menatra, ary resy am-boninahitra kosa ny Makis, izay efa nandresy an’I Sénégal 34-03, raha toa ka 50-26 kosa no nandresen’ny Kenianina azy ireo ny volana jona. Efa resintsika 10-0 ihany koa anefa ny Kenianina. Amin’ny ankampobeny, ekipa 8 no mifanintsana ahazoana izay ho tompondakan’I Afrika amin’ny “Trophy Barthes U20”, saingy noho ny hamehana dia tsy afaka notanterahina tamin’ny taona 2020 izany, ary ekipam-pirenena telo ihany no nihazo an’I Kenya tamin’ity taona ity, dia i Kenya tompondaka farany sy Sénégal ary Maagasikara.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT