Sport

Whabi Khazri Mila arahan’ny vodilaharan’ny Barea maso akaiky


  • Alakamisy 11 Jolay 2019

Raha mijery ny filalaon’ny ekipam-pirenena tonizianin’ny baolina kitra, indrindra, nanoloana ny Black Star ganeanina,

 

 nandritry ny ¼-dalan’ny amboaran’i Afrika ny alatsinainy teo dia ekipa miaro tena na hoe “defensif” ny « Aigles de Carthage ». Hatramin’izay nanaovany CAN mihitsy dia saika ny mitady sahala sy “tir au but » no tena paikady heveriny ho mahomby indrindra hahafahana mandresy. Tsy maintsy manana ny rafitra hananan’ny ekipa hafa rehetra koa izy dia ny mpiandry harato, ny vodilaharana, ny irakiraka afovoany ary ny mpanafika.  Ireto 2 farany anefa, raha ny hita hatramin’izay aloha, dia tonga amin’ilay fitenin’ny tanora hoe miandry tatireraka saingy rehefa mahita rirany tsaratsara kosa dia zava-doza. Ilay irakiraka afovoany tonizianina laharana faha 10, Whabi Khazri, no mila arahan’ny vodilaharan’ny Barea maso akaiky sy tazomina tsara raha ny fijerin’ireo mpamakafaka satria dia mahitsy daka sy manana hazakazaka mihoatra ny hafa.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT