Sport

VTT – Mbike Adventure Lasan’i Emile sy Dama ny dingana voalohany


  • Alarobia 14 Oktobra 2015

Raikitra nanomboka omaly ny dingana voalohany amin’ilay fifaninanana iraisam-pirenena fanamoriana VTT ka teny amin’ny Croc Farm Ivato no nanaovana izany ary halaviran-dalana nirefy 15,5km no nodiavin’ireo mpifaninana, ekipa olon-droa isanisany.

 

 Ny ekipan-dRandrianantenaina Emile sy Dama Njakatiana no nandrombaka io dingana fanokafana io. Efa nampoizina ihany ny vokatra satria ao anatin’ny heriny tsara ry Emile izay vao avy nandresy tamin’ny “Tana Mountain Bike” farany teo ary teny amin’io toerana io ihany moa nanaovana izany, hany ka efa laniny tsianjery ny lalana ifaninanana. Hiditra amin’ny dingana faharoa anio ny fifaninanana izay hampitohy ny rovan’Ambohimanga sy Ambohimanambola. Marihina fa dingana enina no voalahatra hifaninanana mandritra ny enina andro.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT