Sport

VTT – Mbika Adventure Hifampitana ny ekipan-dry Celestin sy ry Emile


  • Talata 13 Oktobra 2015

Raikitra manomboka anio ilay fifaninanana hazakazaka am-bisikileta tsy mataho-dalana na VTT « Mbike Adventure » izay hitety an’Antananarivo sy ny manodidina.

 

Haharitra enina andro ny hetsika (13-18 oktobra) izay marihina fa ho an’ny ekipan’olon-droa misy dingana enina. Ny dingana fanokafana no hatao anio eny amin’ny Croc Farm Ivato. Mpihazakazaka sangany malagasy maro no efa miatrana hiatrika ny lalao. Anisan’ny efa zatr’ady ary hiaraka tarika amin’io Rakotohasimbola Célestin sy Rakotoarisoa Jimmy. I Célestin raha tsiahivina no nandresy tamin'ny “cross country” farany natao teny Ambohidratrimo tamin'ny volana jolay teo. I Jimmy kosa no tafiditra faharoa tamin'ny dingana fahatelo tamin'ilay fifaninanana "Tana Mountain Bike Tour", notanterahina teny amin'ny Croc Farm Ivato vao tapa-bolana lasa izay. Saika efa mahay tsianjery ny lalana avokoa izy ireo, araka izany. Hisy teratany vahiny maromaro koa moa handray anjara. Anisan’ireo ngezalahy efa zatr’ady hifampitana amin’iretsy ambony ny ekipan-dRandrianante­naina Emile sy Dama Njakatiana Miarantsoa. I Emile moa dia efa nandresy tamin’ny dingana faharoa sy fahatelo tamin'ny “Tana Mountain Bike Tour” natao teny Ambohimanambola sy Ivato. I Dama kosa fantatry ny maro fa ilay malagasy tokana nahazo medaly alimo tamin'ny Lalaon'ny Nosy tany La Réunion tamin'ny volana aogositra teo.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT