Sport

Vontovorona Efa mivoatra be dobo filomanosana


  • Alarobia 09 Aogositra 2023

Efa tena madiva ho vita ny asa rehetra handraisana ny Lalaon'ny Nosy eny Vontovorona. Efa kely koa sisa dia ho rakotra rary vato ny lalana miala eo amin'ny CUR tonga eny an-toerana.

Ny tena mahafaly dia ny fahavitan'ilay dobo filomanosana mitafo sady mafana. "Raha vita io dia afaka mampiantrano lalao iraisam-pirenena isika, hoy ny Filohan'ny Federasiona Malagasy misahana ny Lomano, ny Jeneraly Gabriel Ramanantsoa. Tena mety raha vita ihany koa ilay trano avo be eo akaiky eo izay azo hipetrahan'ny angidimby ny eo amin'ny tafo toy ireny fahita any New York ireny. Mazava ho azy fa ny fefy manodidina dia ampy hanaovana ny toerana ho an'ny Tananan'ny Lalao. Misy rahateo ireo efitra lehibe maro azo hatao trano fandraisana ireo vahiny, saingy toa tsy tao an'eritreritry ny mpitondra akory izany rehetra izany na koa voafatotr'ilay hoe asa tanan'ny Tale Jeneralin'ny CNaPS teo aloha, Arizaka Rabekoto Raoul izay isan'ny nanenjehana azy. Ankehitriny anefa dia tena manavotra ny Malagasy ny fisian'ity toerana eto Vontovorona ity Ankoatra ny lomano mantsy dia mbola hatao eny an-toerana koa ny handball. Tany amboalohany aza dia tokony ho teny ihany koa no natao ny baolina kitra saingy nihazakazaka ny fanamboaran'i Alfred Andriamanampisoa ny kianja Elgeco Plus. Ny hevitra tera-bary ka angamba raha lasa hotelim-pajankana ny eny Vontovorona dia ho lasa Tanana Olympika mihitsy ny eny. Fa ny olana dia ity fampifangaroana andraikitra ity satria sady minisitra ingahy Haja Resampa no Filohan'ny COJI. Zavatra tsy nisy eran-tany izany, ary tonga lasa resabe ity zavatra nataon'ny Ministeran'ny Fanantanjahantena ity. Tsy hoe ho vitany sa tsia ny fanontaniana fa hoe lasa amin'ny tsy izy ity zavatra ity. Lasa takona ireo ezaka natao hatramin'izao.
Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT