Sport

Volleyball Any Antsirabe no ambohipihaonana


  • Alatsinainy 03 Aprily 2023

Hifamotoana any Antsirabe indray ny mpilalao volleyball mandritry ny herinandro ny 7 ka hatealin'ny 14 aprily.

Hotonsaina any mantsy ny amboaran'i Madagasikara sokajy zandriny lahy sy vavy ary koa ny fiadiana ny tompondakan'i Madagasikara eo amin'ny diviziona faharoa Ho feno ny fandaharam-potoana noho izany satria saika vory lanona ny avy amin'ny lafivalon'ny nosy. Raha ireo mpandray anjara indray dia sauka ahitana an'ireo zandary GNVB avokoa ny sokajy rehetra Porofo izany fa tsy manao ambin-javatra ity taranja iray ity ry zareo. Misy rahateo ny hatao ka tsy mahagaga raha isan'ny lokomotiva manosika ny volley eto Madagasikara ny GNVB. Ny mety hiseho aza dia ny hanaovany ampihimamba ireo amboara rehetra hifaninana Mandra-piandry izany anefa dia toy izao ireo mpandray anjara. U16 vehivavy : GNVB, EVRA Boeny, ASI Analamanga, EVRI Ihorombe EVBFI Bieny U16 lehilahy : GNVB, BI'AS U14 vehivavy : CRJS Toamasina, GNVB, EVRI Ihorombe, MVBC Mahajanga EVBFI Mahajanga, ASCA 1 Antsirabe ADCA 2 Antsirabe, EVRA Noent, GNVB, Stella Maris Toamasina U20 vehivavy : EVRA Toamasina, Stef'Auto, GNVB, BI'AS U20 lehilahy : GSVB Toliara ASI Analamanga, MVBC Fianarantsoa, EVRI Ihorombe 2,DF : ASSM, SQIAD, ASI Analamanga, AVBA Antsirabe 2DM : SDV Analamanga, NADJ Toamasina, Pôle GNVB Analamanga, AVBA Antsirabe.
Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT