Sport

Volley – Tompondakan’Analamanga Raikitra ny famaranan’ny junior lahy sy vavy


  • Zoma 26 Febroary 2010

Efa hamarana tanteraka ny fiadiana ny tompondakany ry zareo ao amin’ny ligin’Analamanga taranja volley amin’ireo sokajy tsy mbola nahavita izany ho an’ny taom-pilalaovana 2009 lasa iny.

 

Tsiahivina fa vao ny sokajy D1 ihany no vita ho an’ny taom-pilalaovana lasa iny izay nentina nanenjehana ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, fa izao daholo vao hovitaina ireo sokajy hafa. Efa hiroso amin’ny manasa-dalana avokoa ireo sokajy samihafa ireo toy ny “minime” sy “cadet” ary ny diviziona faharoa (2D) lahy sy vavy avy ny faran’ny herinandro izao. Efa hiroso amin’ny famaranana kosa ny sokajy “junior” zazalahy sy zazavavy ny alahady izao ka eny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano no hanatanterahana ny lalao izay hifanelanelana amin’ireo ankatoky ny famaranan’ny 2DM ka ny Vbcd Itaosy hihaona amin’ny Bi’As Itaosy eo amin’ny zazavavy ary ny Asi sy Vbcd izay samy avy eny Itaosy ihany kosa eo amin’ny zazalahy. Nafindra eny Ankorondrano indray izany ireo lalao rehetra saika hatao eny Mandroseza ny alahady izao.
Hery Rabe
 
 Fandaharan-dalao
Sabotsy 27 febroary
-Itaosy :
Manasa-dalana
Kianja 1:
1:30-MF : Asi – Vbcd
        CF : Asi - Hva
Kianja 2 :
1:30-MF : Bi’As – Hva
        CF : Bi’As – Vbcd
 
Alahady 28 febroary
-Ankorondrano
Manasa-dalana
8:00-MM : Asi – Vbcd
        2DM : Vbcd – Alvb
Famaranana :
        JF : Vbcd – Bi’As
Manasa-dalana :
       2DM : Csa – Mvbc
Famaranana :
       JM : Asi - Vbcd

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT