Sport

Volley - Lalaon’ny Nosy Saika niala an-daharana faobe ireo mpilalaon’ny zandary


  • Alarobia 22 Jolay 2015

Nanaitra ny naheno tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity fa saika hiray hina hiala faobe ireo mpilalaon’ny zandary ao anatin’ny ekipam-pirenena hiatrika ny Lalaon’ny Nosy hatao any la Reunion (1-9 aogositra)

 


. Ny alahady hariva teo moa no navoaka, tsy tena tamin’ny fomba ofisialy loatra, ny lisitr’ireo mpilalao hiatrika ny Lalao any la Reunion, na ho an’ny lehilahy na ny vehivavy. Isan’ireo tsy tafiditra tamin’ireo 12 handeha i Tahiry kely mpilalaon’ny GNVB ka nahatonga ireo mpilalaon’ny zandary namany saika hiray hina hitokona sy hiala an-daharana miaraka.“Efa niravona tanteraka iny resaka iny, efa nandamina azy ny federasiona” araka ny fanamarihan’ny tale teknika nasionaly, Saramba Serge. Marihina fa mpilalao 5 no voatazona ho an’ny zandary raha 8 izy ireo no nanaraka ny fampivondronana teo aloha. Nanamafy ny tale teknika nasionaly fa “efa milamina tsara izao ny resaka ary tsy misy fiatraikany amin’ny fanazarantena iny tranga iny”.Nararaotina nanontaniana mikasika ity resaka ity raha nitsidika ny fanazaran-tena teny Mahamasina ny minisitra mpiahy ny taranja volley, ny Jly Paza Didier Gerard dia nanamarika fa “tany am-pamitana iraka no nahenoako azy io ary henoko efa niravona izao. Tsy mahazo miala an-daharana manoloana ady izany ny zandary fa tonga dia ‘au poteau’ izay manao izany aminay miaramila” hoy izy.


Rasanda Serge

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT