Sport

Volley – Lalaon’ny nosy Notoloran’ny minisitra mpiahy fanampiana ireo ekipa nasionaly


  • Zoma 10 Jolay 2015

Tonga nitsidika sy nijery ny fanazarantenan’ireo ekipam-pirenena lahy sy vavy manomana ny Lalaon’ny nosy tetsy amin’ny efitrano kelin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina omaly ny minisitra mpiahy ny taranja

 

. Ny iray tamin’ireo minisitra mpiahy roa ihany no tonga teny an-toerana dia ny Minisitry ny fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotozafy Dominique Jean Olivier. Mpiahy ny taranja ihany koa ny sekreteram-panjakana eo anivon’ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena misahana ny zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly Paza Didier Gérard. Valopy misy vola mitentina 4 tapitrisa ariary no natolotr’ireto minisitra ireto ho an’ny ekipam-pirenena malagasy lahy sy vavy. Marihina fa efa ao anatin’ny fampivondronana fah-3 farany izao ireto ekipam-pirenena ireto ka mbola mpilalao 15 avy no manaraka ny fanazarantena. Mpilalao 12 kosa no hotazonina farany ho an’ny lehilahy ary 11 ny vehivavy. Any alohan’ny fiaingana hihazo an’i la Réunion mihitsy moa vao hivoaka ny lisitra farany.

“Efa manao ny kipitsopitsony farany izao izahay, manamafy ny fahaiza-miaraka. Efa vita tamin’ny fampivondronana voalohany ny fanamafisana ny ara-batana ary nandritra ny fampivondronana faharoa ny taktika sy teknika” araka ny fanazavan’ny mpanazatra nasionalin’ny lehilahy, Ranaivoson Thierry. Ny ekipan’i la Réunion sy Kaomaoro moa no tafaraka vondrona amintsika.

 “Efa miroso amin’ny fanamafisana ny fahaiza-miaraka izao izahay. Manamafy ny fanafihana sy ny fiarovana ary ao anatin’ny tanjany tsara ireo mpilalao”, hoy kosa i Zafindalana Gildas mpanazatra ny vehivavy. Mpilalao iray dia i Lalah avy any Mahajanga sisa no andrasana ho an’ny vehivavy. I Seisela sy Maldives kosa no tafaraka vondrona amin’i Madagasikara ho an’ny vehivavy.

Rasanda Serge


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT