Sport

Volley – Faritra faha-7 Ekipa voalohany tafita hanao famaranana ny Stef’Auto


  • Zoma 20 Novambra 2015

Efa nisy manasa-dalana tokana ho an’ny sokajy vehivavy tontosa omaly, lalao izay adin’ny samy Malagasy

 

. Karazan’ny famerenana ny famaranan’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara natao tany Fianarantsoa volana vitsy lasa ihany izy ity. Lalao izay nifandonan’ny Stef’Auto tompondakan’i Madagasikara sy ny AMVB tompondaka lefitra. Noporofoin’ny ekipan’Atsinanana ny maha tompondaka azy im-pito nisesy. Lavon-dry Rose de Lima mazava tamin’ny seta 3-0 indray mantsy ny ekipa tompondakan’Analamanga. Mikasika ireo vokatra hafa omaly teny amin’ny lapan’ny fanatanajahantena, niatrika ny lalaony farany ny GNVB izay tsy resy mihitsy tao amin’ny vondrona nisy azy ka ny Racines Club kaomaorianina indray no nomeny ny anjarany. Nomontsanin-dry Andry sy Zo tamin’ny seta 3-0. Efa toy ny fanazarantena fotsiny sisa io lalao io ho an’ny zandary. Anisan’ny lalao omaly koa ho an’ny lehilahy ny nandavoan’ny Beau Vallon avy any Seisela an’ny Camp Ithier Maorisianina tamin’ny seta 3-0. Efa niady lah-5 koa omaly ny sokajy vehivavy ka ny Cascade avy any Seisela nampiondrika an’ny ASI, ekipa malagasy fah-3 tamin’ny seta 3-0. Hanamarika ny andro anio ireo lalao manasa-dalana telo ambiny eny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Hifandona amin’ny ankatoky ny famaranana faharoa ho an’ny vehivavy ny lalao hifanandrinan’ny Anse Royalke avy any Seisela sy ny Azur Maorisianina. Aorian’io ireo manasa-dalan’ny lehilahy, ny Beau Vallon hifampitana amin’ny Trou Aub Biches Sharks Maorisianina ary ny GNVB kosa hifanandrina amin’ny ASI, izay lalao famerenana ny famaranan’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara farany teo. Hanala vela izany amin’io ny Akany Sambatra Itaosy. Ho fantatra rahariva avokoa izany ireo ekipa rehetra hahazo ny tapakilan’ny famaranana hatao ny sabotsy.

Rasanda Serge

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT