Sport

Volley – CCCOI faha-16 Sahirankirana avokoa ny malagasy


  • Alarobia 17 Martsa 2010

Raha ireo lalao efa nahazoam-bokatra hatramin’ny alatsinainy tamin’ilay fiadiana ny amboaran’ny ranomasimbe indiana ho an’ireo klioba tompondaka andiany faha-16 izay atao ao amin’ny kianja mitafon’i Pandit Sahadeo ao Vacoas Maorisy dia azo lazaina fa sahirana ireo solontena malagasy vao aty amin’ny ady isam-bondrona.

Ireo ekipa avy any Mayotte ihany mantsy hatramin’ny alatsinainy teo no lavontsika malagasy taorian’ny andro roa voalohany. Ho an’ny Cosfa manokana dia resin’ny Camp Ithier VBC avy ao Maorisy izy ireo tamin’ny andro voalohany tamin’ny seta 3-2 (25-27, 24-26, 25-20, 25-18, 15-9). Marihina fa ity klioba maorisiana ity no ilalaovan’ireo Malagasy sangany roalahy, i Rija l’Indien sy Andry izay efa nilalao tao amin’ny miaramila sy Tiko Sc teo aloha.  Ny alahady teo kosa ny Cosfa dia nanamontsana ny Zamfi Club avy ao Mayotte 3-0 (25-18, 25-19, 25-21). Ny St Leu avy any La Réunion izao no tsara toerana indrindra ao amin’ny vondrona A lehilahy ary ny Rivière Rempart maorisianina ao amin’ny vondrona B izay samy efa nandresy indroa. Ny vokatr’ireo lalao roa ambiny no hamaritra ny hahatafita ny Cosfa amin’ny manasa-dalana izay nifanandrinany tamin’ny St Leu omaly ary amin’ny Premium Spikers anio.   

     Ho an’ny sokajy vehivavy dia taraiky ihany koa ireo solontenantsika. Ao amin’ny vondrona A ny Ift nandresy seta 3-0 (25-6, 25-3, 25-6) nanoloana ny Kani Be (Mayotte) ary tamin’ny andro faharoa lavon’ny Asptt avy atsy La Réunion seta 3-1 (25-23, 19-25, 25-22, 25-17). Ao amin’ny vondrona B, ny Stef’auto resin’ny Tampon Gecko Volley (La Réunion) 3-0 (25-12, 28-26, 25-13) tamin’ny andro voalohany ary nandavo ny Olympique de Sada mahorey 3-0 (25-12, 25-13, 25-6) tamin’ny andro faharoa. Mitarika vonjimaika ao amin’ny vondrona A vehivavy izao ny Asptt sy Cascade ary ao amin’ny vondrona B ny Vallijee Citizens. Rahampitso no hamantarana ireo tarika roa voalohany avy amin’ireo vondrona A sy B lahy sy vavy hiatrika ny manasa-dalana.
Hery Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT