Sport

Volley-ball – Tompondakan’i Madagasikara Ho ambohimpihaonana ao Toamasina


  • Zoma 01 Septambra 2017

Manomboka ny alatsinainy 4 septambra 2017 izao no hanatanterahana any Toamasina ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny taranja volley-ball sokajy “tanora” U 18 sy U 20 lahy sy vavy.

 

 Vao mifarana izany ny zoma 8 septambra 2017 dia hanomboka amin’io andro io indray ny an’ny sokajy “sénior” lahy sy vavy ihany koa. Araka ny fanamarihana nomen’ny Federasion’ity taranja ity dia ligy 7 amin’ny 15 misy ankehitriny no efa fantatra nahatonga ny anaran’ireo solontenany avy. Ho an’ny ligin’Analamangan’ny volley-ball dia hanana solontena telo avy ny sokajy U 18 vavy sy lahy dia ny CCVB, ny ASI ary ny Squad an-kilany sy ny ASI sy AFA ary GNVB an-daniny. Telo ihany koa ireo solontenan’ity ligy ity eo amin’ny sokajy U20 lehilahy dia ny AMVB, ny ASSM ary ny VBCD, tokana kosa hoan’ny sokajy U20 vehivavy dia ny VBCD. Hanotrona azy ireo any Toamasina ny filohan’ny ligy, Rasamison Hajanirina.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT