Sport

Volley-ball Tompondakan’i Afrika Manana roa andro hanarenana ny fahavoazany ny Gnvb Malagasy


  • Alakamisy 04 Aprily 2019

Nanomboka tamin’ny alatsinainy 01 aprily teo ka tsy hifarana raha tsy ny 11 aprily izao ny fifaninanana fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika eo amin’ny ekipa tompondaka andiany faha-38 eo amin’ny taranja volley-ball sokajy lehilahy tontosaina any Le Caire any Egypte.

 

 

 

 Ao amin’ny vondrona B ahitana an’i  Smouha (EGY), Gisagare (RWA), Christian (UGA) ary El Etihad (LBA) no misy ny Zandarimaria (MAD). Nisongadina teo amin’ny andro voalohany ny faharesen’ny ekipa Fap de Yaoundé avy any Cameroun seta 3-0 nanoloana ny Vc Espoir avy any Congo Demokratika ary ny nandresen’ny Smouha seta 3-0 ny Gnvb Malagasy. Teo amin’ny andro faha-2 ny talata 02 aprily dia mbola lavon’ny Gisagare (RWA) indray ny Malagasy.  Amin’ny zoma 5 sy sabotsy 6 aprily indray ny Gnvb vao miakatra kianja  manarina ny fahavoazana. Marihana fa niala tsy handray anjara tamin’ity fifaninanana ity ny klioba Sfaxien, Espérance de Tunis ary  Étoile du Sahel avy any Tunisie sy ny NR Borj Bouaririj avy any Algérie noho ny fanakianan’izy ireo ny fanomanana ny fifaninanana.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT