Sport

Volley-Ball Tompondakan’i Afrika 2019 Nomen’ny filoham-pirenena 150 tapitrisa ariary ny GNVB


  • Talata 26 Martsa 2019

Noraisin’ny filoham-pirenena Malagasy teny Ambohitsorohitra omaly alatsinainy 25 martsa 2019 ny ekipan’ny GNVB volley-ball izay efa in-3

 

 

tompondakan’ny Oseana Indiana ka  hiatrika indray ny lalao hiadiana ny tompondakan’i Afrika any Egypta amin’ny 31 martsa hatramin’ny 11 aprily 2019 ho avy izao. Taorian’ny nanoloran’ity ekipa ity ny amboara farany azony teny Ambohitsorohitra dia nanome tso-drano azy ireo ny filoha Andry Rajoelina mba hitondra avo ny anaran’i Madagasikara any Egypta any ary nanome fanampiana mitentina 150 tapitrisa ariary hoentin’izy ireo hiatrika an’izany fifaninanana izany. Nanambara ihany koa, Atoa filoha fa rehefa hitsangana ny Akademia Nasionalin’ny Fanatanjahantena dia hisitraka fotodrafitrasa manara-penitra ny mpanao fanatanjahantena, hisy ihany koa ny fanaraha-maso sy fanomanana arifomba azy ireo ary hapetraka ny vatsim-pianarana mikasika ny fanatanjahantena. Nitarika ny delegasion’ny GNVB ny “ministre coach” ny jeneraly Ravalomanana Richard.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT