Efa niditra tamin’ny andro faha-2, nanomboka tamin’ny sabotsy 27 aprily 2019 tetsy Mahamasina sy tamin’ny alahady 28 aprily teny Betongolo,
ny fifaninanana fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga 2019 eo amin’ny taranja volley-ball ka nisongadinan’ny fandresen’ny GNVB seta 3-0 ny AVB (25-07,25-15,25-11) teo amin’ny sokajy 1DM sy nandresen’ny VBCD ny VOARA seta 3- 0 (25-11,25-12,25-08) sokajy 1DF. Hitohy rahampitso alarobia 1 mey 2019 etsy amin’ny kianja ivelany etsy Mahamasina ny andro faha-2 ka kianja 4 no indray hanatanterahana an’ireo lalao voafaritry ny fandaharana. Hiakatra kianja manomboka amin’ny 8 ora maraina ny sokajy MG, JF, MF ary BF. Eo amin’ny ora faha-2 kosa dia ahitana ny BF, JG, MF ary ny CF. Eo amin’ny ora faha-3 dia anjaran’ny BG sy MF no miakatra kianja. Ary eo amin’ny ora faha-4 sy faha-5 dia ry zareo sokajy 2DM sy 1DF ary 1DM no hamarana ny fihaonana. Lalao miisa 16 amin’ny ankapobeny no azo harahina amin’io alarobia 1 mey 2019 io.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.