Sport

Volley-ball - Tompondakan'i Madagasikara Nanao poa-droa ny Zandary


  • Talata 30 Mey 2023

Tsy niady ny famaranana ny fiadiana ny tompon-dakan'i Madagasikara teo amin'ny volley-ball. Nataon'ny Zandary

ampihimamba ny fifaninana satria izy no voahositra ho tompondaka 2023 teo amin'ny lahy sy vavy Teo amin'ny vehivavy aloha dia tsy nahita afitsoka mihintsy ny Stef'Auto fa dia resy seta 3 noho 0. Teo amin'ny lehilahy no mba nanohitra kely ny ASI avy eny Itaosy saingy vetivety dia sarona tanteraka ary niondrika tamin'ny seta 1 noho 3. Azo antoka izany fa ireto GNVB ireto indray no maro handrafitra ny ekipam-pirenena roa mandritry ny Lalaon'ny Nosy. Raha izay anefa no izy dia ho sarotsarotra ho an'ny Malagasy ihany ny hibata ny medaly volamena satria raha mbola ry Andry Be sy Mamizara no entina miady dia efa lanin'ny olona tsianjery ireny. Asa aloha fa miankina amin'ny fahaiza-manao ny Tale Teknika Nasionaly, Honoré Razafinjatovo ny baolina. Mila manova paikady mantsy miampy fanazarantena tena matotra toy izao ataon'ny Zandary mahafoy vola sy harena izao.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT