Volley-ball Tompondakan'i Madagasikara

Lasan’ ny Zandary ny entana !


  • Alarobia 02 Oktobra 2024

Tsy nisy dinika fa dia nanao poa-droa nanoloana ny ekipa roa avy etsy Itaosy (ASI)

nandritra ny fiadiana ny tompondakan'i Madagasika tamin'ny faran'ny hetinandro. Rehefa tsy teo intsony ny Stef'Auto dia nataon'ny GNVB ampihimamba izay tojo azy. Hain'ny mpanazatra Jean Honoré Rasolonjatovo rahateo ny asany hany ka ora iray fotsiny no nandavony ny ASI (25/18 ; 25/14 ; 25/19). Tena tsy niady saingy tsara homarihina fa efa mivoatra be koa ireto ASI ireto. Teo amin'ny lehilahy indray dia nahazo ny fandresena faha 13 nisesy ry zareo GNVB. Tsy dia mahagaga izany fa natambany ao daholo ireo mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena. Resiny mazava ny ASI na dia nanantena ihany taorian'ny nahazoany ny seta voalohany (25/22). Vao nametraka ny tena paikady fotsiny anefa ny mpanazatra ny Zandary dia vita matavy Itaosy (25/17 ; 25/22 ; 25/19). Tena tsara fanomanana anefa ireto GNVB ireto ary tena mitaiza ireo sokajy zandriny. Ny marina dia tena ataony vaindoha-draharaha ity taranja izay naorin'ingahy minisitra amin'izao fotoana izao, ny Jeneraly Corps d'Armée, Rakotondrazaka Andriatsarafara Andriamitovy. Izy no nampita ny fitiavany volley tamin'ny filohan'ny GNVB amin'izao fotoana, ny Lieutnant Colonel Fortunat Rajaonarison. Tena mipetrapetraka izany ny rafitra ary inoana fa ahita vokatra tsara koa ny Zandary raha toy izao no fiadiana amin'ireo olon-dratsy manimba ny tontolo ambanivohitra.
Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT