Sport

Volley-ball – Open de Madagascar U 23 sy vétérans Teny Cité Itaosy no natao ny andro voalohany


  • Talata 03 Desambra 2019

Nanomboka tamin’ny alahady 01 desambra 2019 teo ka tsy hifarana raha tsy amin’ny alahady 08 desambra izao ny fifaninanana volley-ball “Open de Madagascar U 23 sy Vétérans. Ekipa 6 avy amin’ny ligy 4 no mandray anjara ao amin’ny sokajy U 23 vehivavy :

 

 

 

 ny Evbi (Ihorombe), Squad (A/manga), Asi (A/manga), Asca (Vakinankaratra), Vbcd (A/manga) ary Asvbm (Boeny). Ekipa 12 avy amin’ny ligy 7 kosa ny eo amin’ny sokajy U 23 lehilahy : Asi 2 (A/manga), Asi 1 (A/manga), Rm5 (Atsimo Andrefana), Mami Vbc (Atsinanana), Cvbi (Matsiatra Ambony), Evbi (Ihorombe), Vbcd (A/manga), Mama (Vakinankaratra), Avb (A/manga), Avbc (Anosy). Ekipa 4 avy amin’ny ligy 2 kosa no mandray anjara amin’ny sokajy Vétérans : Cnaps (Itasy), Ambohi/kely (A/manga), Cosfa (A/manga), Cua (A/manga). Nanomboka omaly talata andro faha-2 dia efa etsy amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano indray no nanohizana ny fifaninanana. Anio alarobia 03 desambra dia mbola lalao 8 hatrany no harahina etsy Ankorondrano ka ny Vbcd sy Asvbm (vehivavy ) no hanomboka azy manomboka amin’ny 7:30 maraina ary ny Amb/kely sy Cosfa sokajy Vétérans no hamarana azy manomboka amin’ny 6:00 hariva.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT