Sport

Volley-ball Nofoanan’ny FIVB ny League des Nations 2020


  • Talata 12 Mey 2020

Noho ny fihanaky ny tsimokaretina Covid-19 maneran-tany izay mety ho fiatraikan’izany any amin’ireo tanàna handray ny hetsika dia nanapa-kevitra ny FIVB “Federasiona Iraisam-pirenen’ny taranja volley-ball,

 

 

 

tany Lausanne Suisse tamin’ny 08 mey lasa teo, fa ho foanana ny fifaninanana VNL “Ligue des Nations de Volley-ball” izay saika hatomboka amin’ny faha-19 mey 2020 ho avy izao ny an’ny fifaninanana hoan’ny vehivavy ary ny faha-22 mey ny an’ny fifaninanana ho an’ny sokajy lehilahy. Niara-nanaiky an’izany famohanana fifaninanan VNL 2020 notapahan’ny FIVB izany ny « Conseil VNL » sy ny « Conseil d'administration de la FIVB » ary ireo mpikarakara ny hetsika rehetra. Etsy an-kilany anefa dia miara-misa akaiky amin’ireo rehetra voakasiky ny toe-draharaha ny FIVB mba hamolavolana fandaharam-potoanan’ny VNL 2021 ary katsaha ao anatin’izany ny hitazomana an’i Italie sy Chine hatrany ho mpikarakara an’ireo lalao famaranana.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT