Sport

Volley-ball Malagasy hiatrika ny lalaon’ny nosy Nivoaka ny lisitry ny ekipa nasionaly


  • Alatsinainy 01 Jolay 2019

Mitohy eto Antananarivo ny fampivondronana an’ireo ekipa nasionalin’ny taranja volley-ball lahy sy vavy hiatrika ny lalaon’ny nosy 2019 ho tanterahina any Maurice manomboka amin’ny faha-19 jolay izao.

 

 

 Araka ny nambaran’ny mpanazatra azy ireo teny Mahamasina dia in-2 isan’andro izy ireo no mifandimby manatanteraka fanazaran-tena ao amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Efa tena vonona amin’ny fiatrehana an’io fifaninanana io ireo mpilalao lahy sy vavy Malagasy ireo ankehitriny na dia mbola handrasana aza ho an’ny sokajy vehivavy  ny fahatongavan’i Melissa,  mpila ravinahitra atsy amin’ny nosy Seychelles. Efa navoakan’ny MJS koa ny lisitra ofisialy raikitra an’ireo mpilalao 12  lahy sy 12 vavy handeha ho any Maurice :

 

Lahy : Willot, Princy, Fitiavana, Ederin, Angelin, Benahy, Fenozoro, Niana, Niriko, Tsiory, Tahiry, Mnohisoa. Coach : Honoré sy Etienne.

 

Vavy :Adolphinah, Rojotiana, Dianah, Hibisoa, Christine, Jessie, Armell, Mathline, Nandrianina, Clarat, Melissa, Lima. Coach : Michel Roche sy Léa.

 

Ntsoavina Evariste

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT