Sport

Volley-ball Mahavelom-bolo ny ho avy


  • Alakamisy 13 Aprily 2023

Maromaro ihany ireo solofo sy dimby handrafitra ny volley-ball eto Madagasikara. Ankoatra an'Antananarivo izay

ahitana ireo sangany toa ny Pôle GNVB sy ny Squad ary ny ASI dia efa manangasanga any koa ny AVB Antsirabe, ny NADJ Toamasina, ny MVBC Fianarantsoa sy ny GSVBC Toliara. Mipoitra ihany koa ry zareo Mahajanga amin'ny alalan'i MVBC sy EVRA. Raha tsorina dia miverina mahazo laka indray ity tatanja ity satria dia izay no sary avoakany mandritra ny fiadiana ny tompondakan'i Madagasikara eo amin'ny sokajy diviziona faharoa sy ny amboaran'i Madagasikara eo amin'ireo sokajy zandriny manomboka ny latsaky ny 14 taona, latsaky ny 16 taona ary indrindra ireo latsaky ny 20 taona izay efa tokony ho zarina hiakatra sehatra handimby ireo lehibe. Ny mampalehelo kely dia toa tsy mahazo sehatra loatra ny volley-ball eto amintsika. Rehefa tsy nahazo ilay kianja mitafo vaovao tao Antsirabe mantsy dia lasa nifindra any amin'iny ENSOA izay misy kianja mitafo iray na dia somary maizimaizina sy kianja ivelany iray. Mazava ho azy fa tsy dia misy mpijery ary na ny mpanao gazety aza dia mbola Tia Tanindrazana irery hatramin'izao. Asa aloha izay amin'ny zoma hanaovana ireo famaranana rehetra fa hatreto aloha dia ny finiavan'ireo ray aman-dreny sy ny Federasiona sisa tsy maha kamboty ity taranja ity Mila manao fahagagana anefa raha mba te handrombaka ny medaly volamena amin'ny Lalaon'ny Nosy ho avy eo<
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT