Volley-ball

Lany ho filohan'ny federasiona i Léa Manary


  • Alakamisy 07 Septambra 2023

Lasa vazaha misolo vazaha! Izany no zavatra miseho eo amin'ny tontolon'ny volley-ball malagasy.

Tsy niandry ela mantsy fa ny alatsinainy teo dia efa voasolo i Mamy Ranaivoson izay nitantana vonjimaika ity taranja reha voatendry hiasa any ivelany ny filoha. Lany ho filoha vaovao i Lea Manary izay toa an'i Mamy Ranaivoson dia samy mpilalao tao amin'ny ekipam-pirenena fahiny. Raha kapitenin'ny Star i Mamy, Lea kosa dia efa mpanazatra ny ekipam-pirenena vehivavy tamin'ny Lalaon'ny Nosy tatsy Maorisy farany teo. Ny fanontaniana nipetraka dia ny hoe ratsy angaha ny vitan'i Mamy Ranaivoson satria resy teo amin'ny famaranana ny ekipa lahy sy vavy nefa efa samy nitarika seta roa noho aotra ? Asa aloha fa tokony nojerena koa ilay hoe folo andro ange vao niditra fampivondrona fa taloha dia any Toamasina ireo mpilalaon'ny Stef Auto ary eto Antananarivo ny GNVB miampy an'i Miahy Itaosy no manao fanazaran-tena. Raha ny lehilahy indray dia tsy misy afatsy ny Zandary no manao ho anto-draharaha ity volley ity. Ka diso ve izany i Eric mpanazatra raha naka ireo mpilalaon'ny GNVB nampiana an'i Lalabe sy Heritiana zanany ? Mpilalao matihanina koa i Noré Razafinjatovo izay Tale Teknika Nasionaly ka mahafantatra ny tokony ataony. Ary rehefa dinihina dia mety ny vovokaina mihijtsy no tsy ampy. Ary tsy misy hifanomezan-tsiny izany fa ny vary iray kilao aza efa sandaina telo arivo ariary.
Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT