Volley-ball - Faritra fahafito

Nataon'ny Zandary kenda roroka ny Maorisinina


  • Alarobia 28 Febroary 2024

Tody any amin'ny manasa-dalana ny GNVB (Gendarmerie Nationale Basket-Ball)

omaly alina raha nandresy mazava ny Faucon Flacq Camp Ithier avy atsy Maorisy. Tena tsy niady ny baolina fa toa nety daholo izay nataon'ny zandary izay nampiseho endri-panafihana samy hafa hany ka dia lasa nijery fotsiny ny Camp Ithier. Ny marina dia naka lesona betsaka nandritra ny Lalaon'ny Nosy farany teo ny GNVB izay maro mba tsy hitenena hoe izy rehetra no nandrafitra ny ekipam-pirenena. Raha ireny nasehony omaly ireny dia mety ho tody hatramin'ny farany ny zandary. Tapitra teo kosa ny lalan'ny CVB Farafangana iray nomontsanin'ny Saint Denis Olympique tamin'ny seta 3 noho 0. Mahafaly na izany aza ny ezaka avy any ambanivolo satria rehefa betsaka no manao ilay taranja dia hiakatra ho azy ny ahavo teknika.Hatreto aloha da ratsy iny indray mitoraka iny.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT