Volley-ball- Faritra faha-7

Votsi-droa ny Zandary, mila fanavaozana


  • Alatsinainy 04 Martsa 2024

Mafy ny nahazo ny GNVB nandritra ny famaranana roa nataony

ny sabotsy teo tetsy amin'ny Lapan'ny Fanatanjahantena. Lalao izay tafiditra amin'ny fifaninana isan-tarika ao anatin'ny Faritra fahafito eto Afrika. Efa nirehareha anefa i Noré Razafinjatovo mpanazatra ny GNVB fa hanao poa-droa kanjo ny nifanohitra tamin'izay no niseho satria nanjaka tanteraka ry zareo avy atsy La Réunion. Mampanontany tena ihany anefa raha izany satria toa tsy Afrikanina anie ireto La Réunion ireto sa dia tsy maintsy izay ilay izy. Tsara ihany anefa ny fisiany satria afaka handrefesana marina ny volley eto amintsika hoe mbola tena lavitry ny afo ny kitay.
TENA SAHIRANA
Teo amin'ny vehivavy izao na dia efa ireo mandrafitra ny ekipam-pirenena aza no najoron'i Honoré Razafinjatovo dia tena mbola nampijalian'ny Saint Denis Olympique. Nataony tsy nisotro rano ary nanampy trotraka izany ny fahavoazan'i Lalah izay tena herin'ireo GNVB ireto. Nivaha ny fatorana hany ka 25 noho 13 ny seta fahatelo Samy tsy nahavita na i Eugénie na i Hoby saingy soa ihany fa mba nanavotra baolina maro i Nandrianina. Ity farany rahateo no voahosotra ho mpizara baolina mahay indrindra tamin'ity andiany ity.Nazava ny lalan'ny Saint Denis Olympique raha vao nahazo ny seta voalohany 25/16. Ary na dia nihetsika aza ny hambo- po ny Malagasy dia mbola azon'i Lucie Labour, ilay Maorisinina milalao any La Reunion, ny seta faharoa (29/27).
TOKONY MANAVAO MPILALAO
Teo amin'ny lehilahy koa dia nataon'ny Tampon Gecko Volley Club nahita an'i Jakoba ny GNVB.Resy mazava seta 3 noho 0 (25/18 ; 25/19 ; 25/23).Tokony manavao mpilalao amin'izay ny Zandary raha te hiakatra ambonimbony kokoa satria dia vakian'ireto La Réunion fotsiny ny fomba filalaon'i Andry Be izay efa niaraka tamin'ny Maorisinina ary toraka izany koa i Fenozara izay efa tanaty ekipam-pirenena antaonany maro. Ny olona anefa tsy mitsahatra ny manavao ary tamin'ity indray mitoraka ity dia nandrasany tany amin'ny famaranana vao navoakany ireo tena tompon-toerana fa talohan'io ireto La Réunion ireto dia nihanona fotsiny nampilalao...zana-bazaha.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT