Sport

Volley-ball - Championnat des Clubs de la Cavb Zône 7 Tsy tontosa noho ny delestazy ny lanonam-panokafana


  • Alatsinainy 17 Febroary 2020

Tsy tontosa noho ny delestazy naharitra ora 1sy fahefany latsaka kely ny lanonam-panokafana ny andiany faha-26 amin’ny Volley-Ball fiadiana ny “Championnat des Clubs de la Cavb Zône 7”.

 

 

Voatery nofoanana ny lanonana, hoy ny Tale Teknikan’ny Federasiona Malagasin’ny Volley-ball, mba ho fanajana an’ireo mpilalao mivahiny eto amintsika. Ef a niandry hilahatra hatramin’io ora voalaza io ireo mpilalao rehetra saingy io tsy tanteraka io. Tsy dia nampoizina loatra hoe : tsy misy gropy azo handefasana jiro ao amin’ity Lapan’ny fanatanjahantena ity, hoy ity DTN ity, ka tsy maintsy hijery an’izany hatao fiandry izahay raha tena tsy mandeha tokoa ny ao amin’ity toerana ity. Marihana fa nobedesin’ny Cavb ny mpitantana ny voley Malagasy noho ity toe-javatra ity ka mety hisy fiantraikany amin’ny fahazoantsika lalao iraisam-pirenena amin’ny ho avy izao.

Marihana fa  nanomboka tamin’ny sabotsy 15 febroary teo, teny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano sy teny amin’ny Complexe Vontovorona, ity fifaninanana  ity ka ekipa 25 (15 lehilahy nozaraina ho vondrona 4 ary 10 vehivavy nozaraina ho vondrona 2) no mandray anjara amin’ny fifaninanana.

Sokajy Lehilahy

Vondrona A : 1°-SDL “Saint Denis Olympique”, 2°-RDB “Rodrigues Roches Bon Dieu”, 3°-GDN « Gendaramerie Nationale »

Vondroa B : 1°-BVL « Beau Vallon », JSA « Jeunesse Sportive Ambatonilita », 3°-TAB «  Trou aux Bichess Shanks », 4°-TGV « Tampo Geko Volley »

Vondrona C : 1°-ZAM «  Zamfi Club », 2°-VBM « Volleyball Club Maman », 3°-RAC « Racine Club », 4°-CSP « Club Sportif  Pamplemousses »

Vondrona D : 1°-QVC “Quatre Bornes Volleyball Club”, PMS “Premium Spikers”, CIV “Faucon Flacq Camp Ithier”, CNS “Cnaps Sport

Sokajy Vehivavy

Vondrona A : 1°-VMT “Volleyball M’Tsagamouji, 2°-SDO “Saint Denis Olympique”, STA “Stef Auto”, BIA “Bi’As”, OCS “Orange Club D’Amities”

Vondrona B : 1°-JNM “Jeune Mamans”, 2°-VCD “Volleyball Club Diamant”, 3°-QBC-Quatre Bornes Volleyball Club”, 4°-CAS “Cascade”, VSD “Volleyball Club Saint Denis”

Voka-dalao tamin’ny sabotsy 15 febroary sy omaly alahady 16 febroary

Sokajy Vehivavy :

Q.BORNES (03) -  (00) CASCADE (25-22)(25-09)(25-22)   ;     VBC St DENIS (03) - (00)  VBCD (25-18) (25-19) (25-23)    ;    ORANGE (03) - (00) BI'AS (25-22)(25-08)(25-16)    ;   STEF’AUTO (03) -  (00) VBCM  (25-03) (25-09) (25-13)   ;  JNM (3) – (2) VCD (25-21) (22-25) (16-25) (25-22) (16-14)

Sokajy lehilahy :
MAMA (03) -  (00) RACINE (25-13)(25-20)(25-17)    ;    ROCHE BON DIEU (03) – (00)  SDO  (25-19) (25-22) (25-13)    ;    PAMPLEMOUSSE (03) -  (00) ZAMFI
(25-15) (25-15) (25-21)

Anio alatsinainy 17 febroary dia lalao miisa 11 indray no arahina misesy ao amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina manomboka amin’ny 9 ora maraina mandra-paharivan’ny andro.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT