Sport

Volley-ball - Championnat des Clubs de la Cavb Zône 7 Tompondaka lefitra ny STEF’AUTO sy GNVB


  • Alatsinainy 24 Febroary 2020

Nifarana tamin’ny sabotsy 22 febroary 2020 tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahanena Mahamasina ny fifaninanana Volley-ball 26e

 

 

Championnat des Clubs de la Cavb  Zône 7 ka nahatafavoaka ny ekipa Malagasy roa niatrika ny lalao famaranana dia ny Stef’auto teo amin’ny sokajy vehivavy ary ny Gnvb teo amin’ny sokajy lehilahy. Raha nisongadina tsy am-pisalasalana ny fahambonian’ny traikefa ananan’ny ekipan’ny Quatre Borne Maosiana izay voahosotra ho tompondan’ity fifaninanana ity teo amin’ny sokajy vehivavy nanoloana ny ekipa Malagasy Stef’auto tamin’ny fahazoan’izy ireo seta 3-0 mora foana (21-25) (16-25) (17-25), dia nanao izay ho afany ny mpilalaon’ny Gnvb Malagasy nanohitra ny Tampo Gecko avy atsy La Réunion nefa lavo ihany nony farany 3-2 (25-22) (17-25) (28-26) (19-25) ( 11-15). Samy nanambara avokoa na ny kapitenin’ny Gnvb, na ireo tompon’andraikitra hafa eo amin’ity taranja volley Malagasy ity fa voaporofo tamin’io sabotsy io fa ambony dia ambony ny haavo teknika ananan’ny Tgv Reonioney.  “Tena ampy hangalana lesona ka hanovana paikady amin’ny manaraka ny niverenan’i La Réunion amin’ity fifaninanana ity, hoy manokana ny filohan’ny Gnvb ny kolonely Rakotomalala Heriniaina tamin’ny firesadresahany tamin’ny mpanao gazety teny Mahamasina. Nanao izay ho afany ireo mpilalaontsika, hoy izy, nefa tena nampiseho ny teknika avo lenta ry zareo Reonioney. Efa toerana tena tsara ho an’ny fifaninanana iraisam-pirenena izany tompondaka lefitra izany, hoy izy ary manery ny Gnvb hanazatra tena mafy manomboka eto ny zava-misy satria izy no ho solontenan’ny Faritra faha-7 andeha hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika eo amin’ny taranja Volley-ball amin’ny tsy maha ao anatin’ny Zône 7 ny Reonioney.

Marihana fa ny ekipan’ny St Denis (La Réunion) no nitana ny laharana faha-3 teo amin’ny sokajy vehivavy tamin’ity fifaninanana ity ary ny Trou Aux Biches Maorisiana kosa teo amin’ny sokajy lehilahy.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT