Sport

Volley-Ball CCZ7 Nandresy avokoa ireo solontena Malagasy 4 omaly


  • Alatsinainy 04 Febroary 2019

Ny minisitry ny fanatanjahantena Malagasy Tinoka Roberto no nanokatra ofisialy ny fifaninanana CCZ7 « Fiadiana ny ho tompondakan’ny faritra faha-7 aty Afrika eo amin’ireo ekipa tompondaka taranja volley-ball »

 

 tetsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina omaly alahady 3 febroary 2019 ka nanitrikitrika teo am-pandraisam-pitenenana nataony fa efa voasoratra ao anaty veliranon’ny IEM ny hikarakarana  ny tanora sy fanatanjahantena Malagasy mba ho fanoitra eo amin’ny fampandrosoana marina an’i Madagasikara. Hampanjakao ny « fair play » amin’ity fifaninanana ataonareo ity, hoy izy, nitodika tamin’ireo tanora mpandray anjara avy amin’ny ekipa 22 amin’ny nosy 5 (Maurice, Mayotte, Comores, Seychelles ary Madagascar) izy ka izay mendrika no aoka haharesy, hoy izy. Nialoha izany rehetra izany dia nangataka  1minitra fahanginana ny minisitra ho fanomezam-boninahitra ireo namoy ny ainy tamin’ny fianjeran’ny vatobe indray tetsy Ampamarinana omaly alahady 03 febroary maraina.

Hitohy hatramin’ny alahady 10 febroary izao ity hetsika ity ka tamin’ny andro voalohany notontosaina omaly dia tsara fanombohana fa nahazo fandresena avokoa ireo ekipa Malagasy lahy sy vavy 5 niakatra kianja. Vehivavy : Amvb (Mad) – M’Tsapere (May) seta 3-0 ;  Bi’As (Mad) – Ans Royale (Sey) seta 3-1 ; Stef Auto (Mad) – Astars (May) seta 3-0. Lehilahy : Jsa (Mad) – Racine (Com) seta 3-0  ; Gdn (Mad) – Tab (Mr) seta 3-0.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT