Sport

Volley Ball CCCZ7 andiany faha-25 Tompondaka ny lehilahy GNVB Malagasy


  • Alatsinainy 11 Febroary 2019

Nifarana omaly alahady 10 febroary 2019 tetsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny andiany faha-25 amin’ny CCCZ7 “Fiadiana ny Amboaran’ny faritra faha-7 aty Afrika eo amin’ireo ekipa tompondaka

taranja  volley-ball  sokajy “senior” lahy sy vavy 2018. Raha voahosotra ho tompondaka ny  ekipa lehilahy Malagasin’ny zandarimaria nasionaly “Gnvb” nandresy ny  Olympic Montagnes Goaves avy any Maorisy tamin’ny seta 3-1 teo amin’ny lalao famaranana  tena nampitaintana hatramin’ny farany tokoa (19/25, 25/15, 25/22), dia nitana ny laharana faha-3   teo amin’ity sokajy lehilahy ity ny ekipan’ny Jsa “Jeunesse Sportive Ambatonilita” Madagasikara. Teo amin’ny sokajy vehivavy kosa dia rendrika tanteraka ny ekipa vehivavy Malagasy rehetra fa ny nosy Maorisy no nitana ny laharana  roa  voalohany dia ny Quatre bornes  nandavo ny Oranges Club d'Amitiés   tamin’ny seta 3-1 ihany koa (25/19,  13/25, 25/22, 25/17). Fahatelo kosa ny Anse Royale avy any Seychelles. Tonga nanotrona hatramin’ny farany an’ireo  famaranana ireo omaly sady nanolotra ny medaly volamena sy ireo amboaran’ny mpandresy ny minisitra Tinoka Roberto izay nilaza mazava fa santatry ny  fitondran’ny tanora sy spaoro Malagasy ny famerenana ny ambompom-pirenenantsika ary dia nanolotra lelavola 10 tapitrisa ariary hoan’ny Gnvb izy tamin’izany.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT