Sport

Volley-ball C.C.C Zône 7 andiany faha-26 Nitsoaka an-daharana omaly ny ekipa seiseloa


  • Alakamisy 06 Febroary 2020

Ekipa lehilahy 16 sy vehivavy 12 (klioba 8 ho an’i Madagascar, 7 ho an’i Maurice, 4 ho an’i Seychelles, 4 ho an’i La Réunion, 4 ho an’i Mayotte ary 1 ho an’i Comores)

 

 

 no voafaritra fa handray anjara amin’ny fifaninanana Volley-ball fiadiana ny amboaran’ny ekipa tompondaka CAVB “Confederation Africaine de Volley-ball” Faritra faha-7 izay hotontosaina etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy eny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano eto Antananarivo-Madagasikara manomboka ny 15 ka hatramin’ny 22 febroary 2020 ho avy izao. Sambany amin’ity fifaninanana ity no nahatratra an’io isan’ny mpandray anjara io. Lalao miisa 88 no hatrehana mandritra ny 7 andro ka ny « Comite de contrôle » notendren’ny CAVB  Zône 7 tarihan’ilay Maorisiana Kaysever Teeroovengadium ary ahitana tompon’andraikitra Malagasy iray Razafinjatovo Jean Honoré (delegué technique) no hitantana ny fifaninanana. Omaly alarobia 5 febroary 2020 dia nandefa taratasy ny ekipa vehivavy Seiseloa iray, ny City Ladies, fa tsy afaka handray anjara amin’ny hetsika indray.   

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT