Sport

Volley-ball C.C.C Zone 7 andiany faha-26 Hotontosaina anio ny fivoriana ara-teknika


  • Zoma 14 Febroary 2020

Anio zoma 14 febroary 2020 hariva, eny amin’ny “Central hotel Tsaralalàna”, no hanatanterahana ny dinika teknikan’ny Fifaninanana

 

 

 

iraisam-pirenena amin’ny taranja volley-ball dia ny C.C.C Zône 7 “Fiadiana ny amboaran’ny ekipa tompondakan’ny Zône 7 aty Afrika izay hotarihan’ny « Comite de contrôle » notendren’ny CAVB “Confederation Africaine de Volley-ball”  Zône 7 tarihan’ilay Maorisiana Kaysever Teeroovengadium. Efa tokony ho tonga eto Antananarivo toerana hanatanterahana ny hetsika avokoa ireo ekipa rehetra handray anjara amin’ity fifaninanana ity (ekipa lehilahy 16 sy vehivavy 11) avy amin’ny firenena 6 (Madagascar, Maurice, Seychelles, La Réunion, Mayotte ary Comores). Ny fifanintsanana dia efa hanomboka ny sabotsy 15 febroary izao eny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano sy eny amin’ny “Complexe Sportive Vontovorona” fa ny lanonam-panokafana kosa dia hotanterahina etsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina amin’ny alahady 16 febroary 2020.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT