Sport

Volley-Ball Asoimi Analamanga Nanomboka tamin’ny sabotsy teo ny « championnat »


  • Talata 04 Jona 2019

Tetsy amin’ny kianja ivelany etsy Mahamasina tamin’ny sabotsy 01 jona teo no nanombohana ny fiadiana ny ho tompondakan’ny fifaninanana Asoimi

 

 

 

Analamanga 2019 taranja volley ball ka lalao niisa 6 avy hatrany no nanombohana an’izany.  Justice nandresy ny Meed seta 3 – 1  ; Pbzt nandresy ny Prm seta 3 – 0   ; Primature nandresy ny Dgfa seta 3 – 1  ; Menetp nandresy ny Meeh seta 3 -  0 ary ny Gn nandresy ny Ua seta 3 – 0. Marihana fa mahatratra ekipa 18 no mandray anjara amin’ity fiadiana ny ho tompondakan’ny volley Asoimi Analamanga 2019 ity ary hezahina ho vitaina mialohan’ny volana aogositra izao izany.  Raha ny lojikan-javatra dia  tokony hitohy amin’ny faran’ity faran’ny herinandro ity io fifaninanana io nefa mety hisy fitsarahana kely izany noho ny fiatrehana ny fetin’ny Pentokosta.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT