Sport

Volley-ball ASIEF 2018 Raikitra ny fiadiana ny amboara


  • Talata 28 Aogositra 2018

Taorian’ireo lalao famaranana tenisy notontosaina tamin’ny heriny teny amin’ny kianja filalaovana tenisy eny Ankatso ka natrehan’ny filohan’ny Antenimirandoholona ka nahafantarana an’ireo tompondakan’ity taranja ity eto Analamanga toa an-dry Hanitriniony Lanto UA (Simple Dames),

Jean Marius Patrick Casat (Simple Hommes Vétéran), Fenohasina UA (Simple Hommes Jeune), Joasitera Rolando Cofa (Simple Hommes Vétéran), Jean Michel Travaux Publics (Simple Hommes jeune), Lantosoa Travaux Publics), Felana Rosemine Primature (Simple Dames Jeune) dia mitohy hatrany ireo fifaninanana ASIEF “lalaon’ireo mpiasam-panjakana” eto amin’ny Faritra Analamanga, ka ny fiadiana ny Amboaran’ny Asief taranja Volley-Ball indray no natomboka tamin’ny sabotsy 24 aogositra  teo teny amin’ny kianja filalaovana LMA Ampefiloha sy teny amin’ny kianjan’ny Lisea JJ Rabearivelo Analakely  ary tsy hifarana, hoy ny filohan’ity taranja ity ao amin’ny ASIEF, Andriatsirahonana Haja, raha tsy ny 22 septambra any. Efa mazoto miatrika  ny fifaninanana ASIEF ny mpiasam-panjakana ankehitriny, hoy izy, fa tena nahatsapa ny fanovana nentin’ny filoha nasionaly John Love teo amin’ity sehatra ity 

 

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT