Sport

Volley-ball Asief 2018 Raikitra indray ny fiadiana ny amboara


  • Alatsinainy 27 Aogositra 2018

Taorian’ireo lalao famaranana tenisy notontosaina tamin’ny heriny teny amin’ny kianja filalaovana tenisy eny Ankatso ka natrehan’ny filohan’ny Antenimirandoholona ka nahafantarana an’ireo

tompondakan’ity taranja ity eto Analamanga toa an-dry Hanitriniony Lanto UA (Simple Dames), Jean Marius Patrick Casat (Simple Hommes Vétéran), Fenohasina UA (Simple Hommes Jeune), Joasitera Rolando Cofa (Simple Hommes Vétéran), Jean Michel Travaux Publics (Simple Hommes jeune), Lantosoa Travaux Publics), Felana Rosemine Primature (Simple Dames Jeune) dia mitohy hatrany ireo fifaninanana Asief “lalaon’ireo mpiasam-panjakana” eto amin’ny Faritra Analamanga. Ka ny fiadiana ny Amboaran’ny Asief taranja Volley-Ball indray no natomboka tamin’ny sabotsy 24 aogositra  teo teny amin’ny kianja filalaovana LMA Ampefiloha sy teny amin’ny kianjan’ny Lisea JJ Rabearivelo Analakaly  ary tsy hifarana, hoy ny filohan’ity taranja ity ao amin’ny Asief, Andriatsirahonana Haja, raha tsy ny 22 septambra any. Efa mazoto miatrika  ny fifaninanana Asief ny mpiasam-panjakana ankehitriny, hoy izy, fa tena nahatsapa ny fanovana nentin’ny filoha John Love teo amin’ity sehatra ity 

 

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT