Sport

Volley-Ball Analamanga Lany ho filoha i Raharimalala Léa


  • Alatsinainy 25 Febroary 2019

Tontosa tamin’ny sabotsy 23 febroary 2019 teo teny amin’ny LTC Ampefiloha ny AGE an’ny ligin’ny taranja volley-ball eto Analamanga. Taorian’ny tatitra nataon’ny filoha teo aloha Rasamison Hajaniriana ka nahazoany “Quitus”

tamin’ireo klioba tonga nivory dia nirosoana avy hatrany  ny fifidianana ny filoha mpitantanana vaovao  ao amin’ity ligy ity ka nifanandrinan’io filoha teo aloha io sy Rtoa Raharimalala Léa. Lany tamin’ny isam-bato 10 noho 5 tamin’ireo klioba 15 nandray anjara tamin’ny fifidianana ity farany, izay tsy zoviana amin’ny maro intsony eo amin’ity sehatry ny volley-ball ity. Nanoritsoritra avy hatrany izy fa hanohy ny zava-bitan’ireo nodimbiasany teo aloha ny ekipa tarihany. Vaindohan-draharaha voalohany ho tanterahan’ny ligy vaovao tarihako, hoy izy, ny fampisongadinana ny tanora ao amin’ity taranja ity  ka hampandraisana anjara amin’ny lalao iraisam-pirenena izy ireo manomboka eto. Izany dia  hatao ao anatin’ny fitantanana mangarahara , hoy ihany ity filoha vaovao ity, ary ilaina koa ny hananganana  ny “beach volley” eto Analamanga. Tapaky ny rehetra fa amin’ny faha-09 martsa  2019 no hanatanterahana ny AG voalohany  an’ity ligin’ny volley-ball vaovao ity sy hanaovana ny famindram-pahefana eo amin’ireo filoha nifandimby.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT