Sport

Volley-Ball Analamanga Fantatra avokoa ireo tompondaka


  • Alatsinainy 28 Aogositra 2017

Tontosa tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina omaly alahady 27 aogositra tontolo andro ireo lalao famaranan’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga 2017 taranja volley-ball.

 

 Niaiky ny rehetra fa miverina mahazo aina indray ny fankafizan’ny maro an’ity taranja ity noho ny ezaka nataon’ireo ekipa isanisany. Ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga no vita fa efa ny fiatrehana ny ho tompondakan’i Madagasikara hanomboka amin’ny tenatenan’ny volana septambra hitsidika io any Toamasina izao no hitodihan’ny mason’ireo tafita ho amin’izany.

Vokatr’ireo lalao famaranana tetsy Mahamasina omaly :

Sokajy junior vehivavy : Vbcd nandresy ny  3 Fans seta 3-0 (25-17 ; 25-20 ; 25-21)

Sokajy junior lehilahy : Amvb nandresy ny Vbcd seta 3-1 (25-23 ; 25-19 ; 20-25 ; 25-16)

Sokajy 2è série lehilahy : Jsa nandresy ny  Tsvb seta 3-0 (25-20 ; 25-21 ; 25-15)

Sokajy 1ère série vehivavy : Vbcd nandresy ny  Jmvb seta 3-1 (25-19 ; 25-20 ; 20-25 ; 25-18)

Sokajy 1ère série lehilahy : Gnvb nandresy ny Cosfa seta 3-0 (25-22 ; 25-15 ; 29-25)

 

 Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT