Volley-ball Amboara isan-tarika Faritra faha 7

Tafita amin'ny ampahaefa-dalana ireo ekipa malagasy efatra


  • Talata 27 Febroary 2024

Vaovao tsara aloha ny hatreto ho an'ireo ekipa malagasy mandray

anjara aminlny fiadiana izay tompondakan'ny Faritra faha fito eo amin'ny Volley. Fantatra mantsy izao fa efa misy efatra ireo hiady ny ampahaefa-dalana eo amin'ny lehilahy dia ny COSFA na ny ASI miampy ny GNVB sy ny CVB Farafangana. Eo amin'ny vehivavy indray dia mbola ny GNVB ihany aloha no tody any amin'ny ampahaefa-dalana fa mbola tsy fantatra ny ASI Itaosy izay nandresy ny VBC de la Côte Ouest seta 3 noho 1. Toy izany koa ny Squad X Club izay nanamontsana ny Zanfi club de Mtsezamboro seta telo. Ny tena nandiso fanantenana dia ny Stef'Auto izay resin'ny St Denis Olympique seta telo. Isan'ny betsaka mpandray anjara ity andiany faha 28 ity soa fa nisy ireo kianja nampiasaina tamin'ny Lalaon'ny Nosy hany ka ankoatra ny Lapan'ny Fanatanjahantena etsy Mahamasina dia misy lalao koa eny Ankorondrano sy eny Ankatso.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT