Sport

Volley – Amboaran’ny federasiona


  • Alatsinainy 20 Aprily 2015

Tsy misy mahozongozona ny GNVB sy ny Stef’auto



Norombahan’ny GNVB Vakinankaratra ny lehilahy ary ny Stef’auto Atsinanana ny vehivavy ny amboaran’ny federasiona andiany voalohany izay nifarana ny sabotsy teo tetsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina.

Voahaja ny lojika ! Ny Zandary sy ny Stef’auto raha tsiahivina no tompondakan’i Madagasikara 2014 ary izy ireo no nahazo ireo amboara be an’ny federasiona hiadiana in-telo miantaona. Ho an’ny sokajy lehilahy dia tsy nety afaka tamin’ny GNVB ny Tiavo Matsiatra ambony. Fihaonana izay tena niady tokoa ary i Honore izay mpanazatran’ny Tiavo teo aloha indray no nitondra ny Zandary tamin’ity indray mitoraka ity. Tamin’ny seta 3-2 (25/16, 23/25, 20/25, 25/11, 15/9) no nandrombahan-dry Zo, Andry, Eric, Tsiory, Josh,… ny fandresena nanoloana an-dry Rija, Boudah, Onja, … Ho an’ny vehivavy dia ny Stef’auto nandresy mazava an’ny AMVB Analamanga seta 3-0 (25/22, 25/17, 25/16). Nalalaka ny fandresena ho an-dry  Rose de Lima, Nadjimah, Melissa,… nanoloana an-dry Clarel, Mino, Mbola,… Navoaka taorian’io fifaninanana io koa ny lisitr’ireo mpilalao 23 lahy sy 19 vavy ary mpanazatra nasionaly dimy hanomana ny Lalaon’ny nosy any la Reunion. Hanomboka anio alatsinainy ny fampivondronana voalohany hatramin’ny 3 mey izay hiompana amin’ny teknika sy taktika ary fizarana miaraka. Ny 18-23 mey kosa ny fampivondronana fah-2. Fantatra koa fa hisy ekipa maorisianina hitsapana ny ekipa malagasy amin’ny faran’ny volana mey ka amin’io no hijerena ireo mpilalao mbola azo antsoina hanatevina ny ekipa nasionaly.

Rasanda Serge

Ny Zandary sy ny Stef’auto niaraka tamin’ny amboara

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT