Sport

Volley – Amboaran’i Afrika Hatao eto Madagasikara ny CAN U18 zazavavy


  • Talata 15 Desambra 2015

Tapaka nandritra ny fivoriamben’ny kaonfederasiona afrikanin’ny volley (CAVB) natao tany Ejipta ny 3-4 desambra teo fa hatao eto Madagasikara ny fiadiana ny Amboaran’i Afrika sokajy U18 zazavavy.

 

 Hanana solontena tamin’io avokoa ireo firenena 54 aty Afrika. Nanatrika ny fivoriana tany an-toerana moa ny filohan’ny federasiona malagasin’ny volley, Andriamandimbisoa Jocelyn. “Ny fiadiana ny amboaran’i Afrika sokajy U23 no tena niadiantsika fa io aloha no azontsika” araka ny fanazavan’ny filohan’ny federasiona. Ireo firenena magrebianina any amin’ny faritra avaratr’i Afrika moa  no maro nifaninana hampiantrano io fifaninanana kaontinantaly io. Ny volana aogositra no hanaovana io fifaninanana io ka tsy ireo sangany isaky ny faritra toy ny teo aloha intsony no afaka hiatrika izany fa afaka mandefa solontena malalaka avokoa ireo firenena rehetra. Nanamarika ny fivoriana ihany koa ny fanomezan’ny federasiona iraisampirenena sy ny kaonfederasiona afrikanina amboara fankasitrahana ireo firenena nahavita be ka anisan’ny nahazo izany ny federasiona malagasy tamin’ny fahombiazan’ny fikarakarana ny fiadiana ny amboaran’ny faritra fah-7, ny tetikasa “African Dream” ary fiofanana samihafa.

Rasanda Serge


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT