Vola tokony hositrahan'ireo Barea nanao CHAN

Lazaina fa voatery nanonerana fandaniana hafa indray


  • Alatsinainy 20 Oktobra 2025

Lazaina fa voatery nanonerana fandaniana

hafa indray izany ny vola fankasitrahana na "prize money" tokony ho anjaran'ny ekipam-pirenena malagasin'ny baolina kitra na Barean'i Madagasikara nandray anjara tamin'ny tompondakan'i Afrika na Chan 2025 farany teo, raha ny fanazavana nentin'ny filohan'ny federasionina malagasin'ny baolina kitra, Alfred Randriamanampisoa, ny marainan'ny sabotsy teo. Mitentina 1,2 tapitrisa Dolara moa izany, raha tsiahivina, satria nahazo ny laharana faharoa ny ekipam-pirenena malagasy. Voalaza ho isan'ny voatery nakana izany ho fanonerana ny resaka haino vaky Jery sy ny fiantranoana nandritra iny fifaninanana iraisampirenena iny. Na izany na tsy izany aza nefa, hoy hatrany ny fanazavana, dia fampitoviana ny anjara fankasitrahana ho an'ny rehetra. Na ireo mpilalao miisa 29 na ny mpanazatra na ireo mpikirakira tekinika na STAFF miisa 8 dia samy hahazo anjara 61,8 tapitrisa Ariary avokoa, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
Nangonin'i J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT