Vokatry ny werawera tao amin’ny Kianja Barea

Tsy tafaverina amin’ny laoniny intsony ny bozaka


  • Alarobia 27 Martsa 2024

Misy odi-potsy angaha ity kianja ity, hoy ny vazivazin’ny mpankafy baolina kitra ny

alatsinainy teo nandritry ny lalao nihaonan’ny Barea na ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra sy ny ekipan’i Rwanda Tsy tafaverina amin’ny laoniny intsony, raha ny hita hatramin’ny omaly, ny bozaka eo amin’ny Kianja Barea Mahamasina vokatry ny werawera tao amin’ity kianja ity hatrany. Bozaka safiotra na «hybride» nafarana tany Angletera, raha tsiahivina, no nanamboarana ny kianja saingy dia izao izany no niafarany. Lasa feno sokakana tany maina be nampianjerazera ireo mpilalao, indrindra, ireo mpila ravinahitra tsy zatra izany atao hoe kianja ratsy sy tsy manara-penitra izany. Nohamarinin’ny mpanazatra ny Barea, Romuald Rakotondrabe, mihitsy moa izany ny alatsinainy teo. Tsiahivina fa voahitsakitsak’ireo olon-tsotra ny bozaka. Nafotaka ny fitsenana ireo Barea nanao CHAN satria nahazo laharana faha 3 tany amin’ny tompondakan’i Afrika. Ekena fa reharehan’ny firenena tokoa izany saingy fety indray nipika ve izany no nanariana fankatoavana iraisampirenena kianja iraimanontolo

J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT