Voka-dalaon’ny Lalaon’ny Nosy

Mitarika ny Malagasy, manao be fiavy ny Maorisianina


  • Alarobia 30 Aogositra 2023

Niditra tamin’ny andro fahaefatra omaly ny lalaon’ny Nosy tanterahana eto Madagasikara. Mbola mitazona ny laharana voalohany

vonjimaika hatrany aloha I Madagasikara amin’ny alalan’ny medaly volamena 66, raha toa ka 33 ny volafotsy, ary 37 kosa ny alimo, izay manome 136 ny isan’ny medaly rehetra. Mihazakazaka mafy kosa anefa ny Maorisianina ka tafakatra laharana faharoa vonjimaika, nampiakatra avo roa heny ny isan’ny medaly volamena azony satria tafakatra 50 ny azy amin’izao, raha antsasak’izay tamin’ny andro fahatelo, ary 11 tamin’ny andro faharoa. Manatombo amin’ny isan’ny medaly izy izay efa manana 145 (50 volamena, 49 volafotsy, 46 alimo). Tany amin’ny fibatana fonjam-by sokajin-danja ambony, atletisma, ady totohondry, lomano,… no isan’ny nandraofany medaly. Eo amin’ny laharana fahatelo kosa I La Réunion izay manana medaly 129 (48 volamena, 43 volafotsy, 17 alimo). Fahaefatra I Seychelles manana medaly 54 (8 volamena, 29 volafotsy, 17 alimo), fahadimy I Maldives manana medaly 18 (3 volamena, 6 volafotsy, 9alimo), fahaenina I Mayotte manana medaly 19 (1 volamena, 7 volafotsy, 11 alimo), ary fahafito I Comores manana 13 (1 volamena, 4 volafotsy, 8 alimo). Samy efa nahazo medaly volamena izay tena mamaritra ny filaharana noho izany ireo Nosy rehetra mandray anjara.
Nangonin’I Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT