Sport

Voin-kava-mahatratra tany Morondava Tany an-toerana ny minisitry ny fanatanjahantena


  • Alarobia 04 Martsa 2020

Amin’ny maha minisitra mpiahy ny Faritanin’i Toliara azy dia tafaraka tamin’ny delegasiona nijery sy nitondra fanampiana ho

 

 

an’ireo traboina tany Morondava noho ny fahavoazan’ity tanàna ity tamin’ny tondra-drano nahazo azy tamin’ny faramparan’ny volana febroary lasa teo  ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena Malagasy, Atoa TINOKA Roberto, niaraka tamin’ireo mpikambana sasany ao amin'ny governemanta ( minisitry ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana sy ny minisitry ny mponina, ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy).

Nanambara ity minisitra ity fa  hisy ny fitadiavana vahaolana maharitra mba tsy hiverenan'ny loza toy ireny intsony. Tsara ho fantatra fa fokontany miisa 5 (Ampasy, Ankisirasira, Tanambao, Andakabe ary Morondava centre) no nitondra takaitra. Nisy ny rava trano, ny traboina sy tsy manan-kialofana izay fianakaviana miisa 441 ahitana olona 2 205.

Fankaherezana lehibe ho an'ny Vahoaka traboina ny fandraisana andraikitra toy izao.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT