Sport

Voavy Paulin Nampiakatra ny laharan’ny ekipany indray


  • Alatsinainy 14 Septambra 2020

Tao anatin’ireo lalao miisa 2 natrehin’ny Misr El Makassa dia mpilalao mendrika indrindra hatrany ilay lohalaharan’ny Barea, Voavy Paulin.

 

 

 

 Miditra amin’ny andro faha 26 ankehitriny ny fifaninanam-pirenena ejipsianina eo amin’ny taranja baolina kitra ary nandresy tamin’ny isa mazava an-tanin’olona 2 noho 0 indray ry Ilay kely sy ny tariny. Ity kintan’ny ekipam-pirenena Malagasy ity no nanokatra ny isa teo amin’ny minitra faha 48 raha nihaona tamin’ny Tanta SC farany teo rehefa avy nandresy tamin’ny isa mavesatra ny andrarezin’I 4 noho 1 nandritry ny andro faha 25. Tsiahivina fa mbola I Voavy ihany koa no nanokatra ny isa tamin’izay. Niakatra ho laharana faha 7 indray izany ny El Makassa raha toa ka efa niakatra ho laharana faha 8 talohan’ity lalao tontosa farany teo ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT