, ny zoma lasa teo nandritra ny Fivoriamben’ity rafitra ity natao tany Budapest, Hongrie, ho Tale Iraisam-pirenena ho an’ny fampandrosoana ny Judo ,na « Directeur international du Développement du Judo » ny filohan’ny Federasion’ny Judo Malagasy, Siteny Randrianasoloniaiko.
Nanao pao-droa, ny alakamisy 24 aogositra teo, ny ekipan’ny Bayern Andrefan’i Mananjara teo amin’ireo lalao famaranana ny baolina kitra “tournoi de vacances 2017” nokarakarain'ny club 3FA Avaradrano. Ny depioten’Avaradrano, Andriamitantsoa Benjamin Andriamitantsoa, no tonga nanome voninahitra ny hetsika sy nanolotra ireo amboara rehetra hoan’ny Ffb Antsirabe (U 10), Zamia/Rfb Atsimondrano (U 17), 3fa Avaradrano (vehivavy) ary ny Bayern (U 13 sy U 15).
Tafita hiatrika ny lalao 1/2-famaranana avy hatrany ny ekipan’ny Askam sy ny Aso tao amin’ny vondrona A amin’ny lalao kitra vehivavy « Division Elite » andiany faha-2 raha nandresy avy ny Prescoi 6-0 sy ny Mifa 3-2 tamin’ny andro faha-2 notontosaina tamin’ny alahady 27 aogositra 2017. Fiadian-toerana voalahany sisa ny andro faha-3. Ny Ac Sab Nam nandresy ny Ascuf 5-0 kosa no efa tafita ao amin’ny vondrona B hiaraka amin’ny Ascuf na Som.
Afa-tsy ny Ajesaia Bongolava izay resin’ny Fc Rabaza Atsimo Atsinana 1-0 dia saika tafakatra hiatrika ny 1/8-ndalana ho tontosaina ny 24 setambra 2017 avokoa ireo kalaza toy ny Tanà Formation, Elgeco Plus, Fosa Juniors Boeny, Cnaps Sport Itasy sy Analamanga, Zanakala Fc, As Adema, Uscafoot, Cosfa, Jet Mada, Mama Fc, Black Star V7V. Ny lalaon’ny Tam Port-Berger sy ny Osba Ambanja dia nahemotra amin’ny 17 septambra izao.
Nanomboka ny sabotsy 26 aogositra 2017 teo any Ambositra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara 2017 taranja basikety sokajy U 16 zatovolahy sy zatovovavy. Tsy hifarana izany fifaninana izany raha tsy ny alahady 3 septambra ho avy izao. Lalao 8 no hatrehana ao amin’ny kianjan’Antaponivinany anio talata 29 aogositra andro faha-4 ny fifaninanana ary lalao 5 kosa no hatrehana ao amin’ny kianjan’ny kolejy St Louis ao Ambositra ihany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.