Voatazon’ny Barea 0-0 I Mali

Saika ratsy, mila miezaka raha...


  • Alarobia 12 Jona 2024

Saika ratsy iny omaly iny ho an'ny Barea izay voatery nilalao folo raha vao 15 minitra fotsiny nanoloana an'i Mali.

Nahazo karatra mena i Louis Domeleon. Tsy manao ny lalaon'ny Barea manaraka izany i Domeleon ary toy izany koa i Ibrahim Amada izay nahazo karatra mavo faharoa. Nisaraka samy tsy nisy nitoko izany ny roa tonta. Kajy diso ihany ho an'ny Barea satria azo noresena ihany ireo Voromahery vizaky ny lalana satria omaly maraina izy ireo vao nigadona tao Johannesbourg rehefa niantona adiny dimy tao Addis Abeba. Reraka ry zareo hany ka nanarinary baolina tsy toy ny mahazatra nefa nikorontana ihany koa ny Barea noho i Rayan Raveloson izay nidina vodilaharana afovoany. Nety anefa ny nataony saingy ny tao afovoany nialany indray no nisy banga na dia nohemotra koa aza i Tendry nameno ny banga. Reraka noho izany i Carolus Andriamahitsonoro sy Loic Lapoussin ka nosoloana an'i Angelo sy Tsiry saingy tsy dia nahitana vokatra izany. Nosoloina koa i Titouan Safidy Fortun ary niditra i Thierno Millimono. Taratry ny tsy fahafehezan'ny mpitantara tao amin'ny RNM anefa ny filazany fa nosoloina an'i Fortun i Safidy.Hianarana anie izany mitantara baolina izany ary izay no tombon'i Naina Rabearivony izay nianatra ireo fanaon'ny zoky teo aloha toa an'i Jean Claude Andrianaivo ary Rady Marcel. Raha hoverenana ilay baolina omaly dia tsara ihany hp an'ny Barea. Voatazony i Mali izay laharana faha 44 eran-tany raha faha 109 no misy an'i Madagasikara. Mila manitsy kely satria mahagaga ihany ny tsy nampidirana an'i Fabien Boyer mba ahafahan'i Rayan Raveloson mandamina ny fanafihana ao ampovoany raha tsy ny hamono baolina mihitsy aza.Mijanona laharana faharoa aorian'i Ghana izay hihaona aminy eto an-tanana raha vita soa aman-tsara ny Kianja Barea ny volana septembra. Nefa izy moa mahita raha mbola hanaovana lanonana indray ny 26 jona ho avy izao.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

Hijery ny tohiny
FTT