Sport

Voasazy i Madagasikara Herintaona tsy mahazo manao tsipy kanetibe iraisam-pirenena


  • Alatsinainy 14 Martsa 2022

Nosazian'ny federasionina iraisam-pirenena taranja tsipy kanetibe tsy handray anjara amin'ny fifaninanana ho an'ny tsipy kanetibe manerantany mandritra ny herintaona i Madagasikara.

Tsy nahaloa ny saran'ny fiantranoana nandritra ny fiadiana izay ho tompondaka erantany natao tany Santa Suzanna, Espanina farany teo no voalaza ho anton'izany. Tsy nisy afatsy ny Minisitry ny fanatanjahantena sy ny Tale Jeneralin'ny fanatanjahantena ihany no nahaloa ny fiantranoany, hoy ny nambaran’ny federasionina iraisam-pirenen’ny tsipy kanetibe na FIPJP. Tsy mendrika, hoy izy ireo, ny fihetsiky ny governemanta Malagasy. Mampahatsiahy ny fihetsiky ny filohan’ny federasionina Malagasy na FMBM teo aloha, Dolys Randriamarohaja, izay namatsy tamin’ny alalan’ny volany manokany ny saran’ny sidin’ireo mpilalaon’ny ekipam-pirenena tany amin’ny tompondakan’I Afrika natao tany Lome ity tranga ity, izay nijanona ho fampanantenan’ny fitondram-panjakana fotsiny moa ny hoe hamerenana izany vola izany. Nandanian’ity filoha ity hatramin’ny 50.000 Euros izany ary mbola nizakany teritery samihafa hany ka namoizany aina tampoka tany amin’ny hopitaly mihitsy tamin’ny taon-dasa, izany hoe ny aprily 2021 teo, hoy hatrany ny fanazavan’ny komity mpanatanteraky ny FIPJP. Araka izany dia tsy isan’ireo handray anjara amin’ny amin’ireo fifaninanana iraisampirenena ato ho ato ny Malagasy. Na ny tompondaka eran-tany atao any Karslunde, Danemark, amin’ny volana may io ary ho an’ny sokajy rehetra, izay hoe ho an’olon-tokana, ho an-olon-droa lahy sy vavy. Toy izany koa ny ho an’olona 3 atao any Benin amin’ny desambra sy rehefa mety ho fifaninanana iraisampirenena, eny, na dia ny lalaon’ny nosy atao eto Madagasikara amin’ny taona 2023 izao aza. Izany no natao, hoy hatrany ny FIPJP nanasazy sady nanome lesona, dia fara faha keliny mba hialan’ny governemanta amin’ny fanaovana fampanantenana poakaty.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT