Sport

Voa ny lohalik’i Bolida Tsy afaka hilalao roa volana izy


  • Alatsinainy 16 Novambra 2020

Nanamafy ny mpilalaon’ny Barea Nomenjanahary Lalaina na i Bolida fa naratra nandritra ny fifanandrinana tamin’i Côte d’Ivoire ny 12 novambra teo tany Abidjan izy.

 

 

 Marihina rahateo fa vao minitra vitsy nanombohan’ny lalao dia efa nitsirara teny ambony kianja ity kapiteny mpisolo toerana ity, ary voatery navoaka ny kianja notsaboina aloha vao niverina nilalao. “Na dia teo ary ny tsy fahafahako milalao amin’ny lalao miverina dia tsy aiko tsy ilaza aminareo fa narary ahy ny lohaliko tamin'ny faha-10 minitran’ny fiaonana nifanandrinana tamin’I Côte d’Ivoire. Nanao IRM aho anio maraina dia fantatra fa maratra ny "ligament interne" ao amin’ny lohaliko havia. Noho izany dia tsy afaka ny ilalao baolina aho mandritran'ny 2 volana. Miray fo tanteraka amin'ny Barea aho amin'ny lalao famerenana”, hoy i Bolida ny sabotsy lasa teo. Nialahon’izay dia efa namoaka an’io vaovao ny Mpanazatra Nicolas Dupuis, ary nirary fahasalamana ho an’i Bolida.

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT