Sport

Vehivavy mpilalao baolina lavalava Miisa 510 no anaty klioba hatreto


  • Alarobia 27 Febroary 2019

Ny taona 2011 no nanomboka nisy baolina lavalava sokajy vehivavy teto afrika fa ny taona 2010 no nanomboka taty amin’ny ranomasimbe indianina.

 

 

Hatreto, raha ny fanazavan’ny filoha lefitry ny Malagasy rugby, Bien Aimé Solofoson, dia fahefatra isika tao anatin’ny fifaninanana afrikanina farany. Izay no vokatra tsara indrindra. Miisa 510 ireo vehivavy mpanao baolina lavalava eto Madagasikara ary miparitaka amina klioba miisa 15. Nampahafantarina omaly tetsy amin’ny IFM Analakely moa ny fahatongavan’ireo tovovavy mpilalaon’ny Terres en mêlées delegasionina Malagasy naka traikefa tany Frantsa nandritry ny 15 andro dia i Marcelia sy Pela ary Sonia. Izy 3 mirahavavy ireto, araka ny fanazavana, no malagasy voalohany nanokatra ny fifaninanana iraisam-pirenena « Tournoi des 6 nations » nanoloana mpijery miisa 60.000. Nisy ihany koa ny fihaonan’izy ireo tamin’ireo kalazan’ny rugby eran-tany toa an’ilay mpilalao anglisy Johnny Wilkinson. Ny volana jolay izao moa no hanomboka any Japon ny lalao fanomanantenan’ny ekipam-pirenena malagasin’ny lavalava hiatrika ny lalao olimpika.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT