Sport

Vahiny Karate-do Tiorka Nihaona tamin’ireo mpikatroka Malagasy


  • Alakamisy 23 Mey 2019

Fitsidihana ara-pomba fifanajana teny anivon’ny minisiteran’ny tanora sy fanatanjahantena teny Andohan’Analakely no natrehan’ireo vahiny mpanao karate Tiorka notarihan’Atoa Esat Delihasan ny marainan’ny omaly alarobia 22 mey 2019.

 

 

Notohizana tamin’ny fanatanterahana dinika teknika  teny Mahamasina izany avy eo. Fihaonana mivantana sy fampitana hafatra tamin’ireo mpikatroka karate-do Malagasy marobe tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina no nanohizan-dry zareo izany ny tolakandron’io omaly alarobia io.. Nisaotra manokana amin’ny fandraisana mahafinaritra  sy mahafa-po nataon’ny Malagasy azy ireo izy ka nanome toky ny hampita araka izay tratran’izy ireo ny traikefa ananany. Nisaoran’ny filohan’ny FMK, Andrianavomanana Solofo Barijaona,  manokana kosa tetsy an-kilany ny ambasadaoron’i Torkia eto Madagasikara sy ny minisitry ny fanatanjahantena Malagasy nanana tsirin-kevitra ny hanafarana an’ireto manampahaizana Tiorka ireto  izay tena sangany tokoa eo amin’ny taranja karate eran-tany ankehitriny ka mila hararaotina tsara ny maka traikefa aminy. Mbola hisy ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa hatao etsy amin’ny Minjs eo amin’ny karate-do Tiorka sy karate-do Malagasy fa anio alakamisy aloha dia hisy ny fampiofanana teknika sy ara-pitsarana lalao hiarahan’ny mpanao karate Malagasy ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina.

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT