UTA Arad sy Hakim Abdallah

Fandresena miisa 3 no nifanohy


  • Alakamisy 14 Aogositra 2025

Fandresena miisa 3 no nifanohy tao anatin’ny herinandro maromaro

ho an’ny klioban’i Fotbal club UTA Arad, divizionina voalohany eo amin’ny taranja baolina kitra ao Romania, raha ny angom-baovao voaray farany. Ity klioba ity moa izay misy ilay lohalaharana malagasy, Hakim Abdallah, ary tompon-toerana hatrany ny lehilahy tao anatin’ireo lalao farany ireo aloha. Nandresy 2 noho 1 nanoloana an’i Farul Constanța. nandresy 1 noho 2, izany hoe tao an-jaridainan’olona nanoloana an’i Petrolul ary 1 noho 0 nanoloana an’i FC Hermannstadt. Eo amin’ny laharana faha 3 hatreto no misy ny UTA Arad eo amin’ny fifaninanam-pirenena ao Romania, raha ny fampitàm-baovao hatrany, ary ny hamoahan’ity lohalaharana malagasy ity lalao tsaratsara kokoa aloha izany no andrasana hatrany.
Nangonin’i J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT